<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Manatona Anao izao FFPM56</title>
<lyrics>[V1]
 Manatona Anao izao,
 Ry Jeso, ny madinikao,
 Ampandrosoy ny dianay,
 Fa ta-hahita Anao izahay.

[V2]
 Hidera ny Anaranao
 No zava-tianay hatao ;
 Miravoravo izahay
 Fa teraka ny Tomponay

[V3]
 Ny lanitra nilaozanao,
 Hanavotra ny olonao,
 Ho zanak'Andriamanitra
 Hifaly ao an-danitra.

[V4]
 Tsy takatray heverina
 Ny fitiavan-dalina,
 Izay nitiavanao anay,
 Ka dia misaotra Anao izahay.

[V5]
 Tariho, Tompo, izahay,
 Ambinonao ny dianay,
 Fa samy ta-handray Anao
 Izahay mivory eto izao.

[V6]
 O, ry Sakaiza maminay,
 Mba te-ho olonao izahay
 Hipetraka eo anilanao,
 Fa mamy ny fitianao.

[V7]
 Raha manana Anao izahay,
 Tsy hisy hatahoranay,
 Fa zaza voamarikao
 Ho isan'ny arovanao.

[V8]
 Raha ao an-danitra vaovao,
 Izahay sy ny anjelinao
 Hisaotra sy hidera Anao
 Hanatrika ny tavanao.</lyrics>
<hymn_number>56</hymn_number>
<author>J.A.P. Schulz</author>
</song>